Actualités

Fitondram-panjakana Mamaky ady amin’ny mpampianatra sy ny sendika


  • Zoma 13 Jolay 2018

Nanome baiko hentitra ny amin’ny hampitsaharana ireo fitakiana sy tolona sendikaly nandritra ny filan-kevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly ny filoham-pirenena.

Efa nisy hoy izy ny valiteny nomena momba ireo fitakiana ka tsy tokony hisy fitokonana intsony.Tsy nisy na dia fanapahan-kevitra ofisialy iray aza anefa momba ireo fitakiana ireo raha ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra no jerena.Efa ho 70 ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony isaky ny ministera sy tompon’andraikim-panjakana isam-paritra io omaly io.Omaly anefa dia mbola nanamafy ny mpampianatra fa tsy matahotra ny fandrahonan’ny minisitra ary tsy hihemotra amin’ny fitakiana. Tsy azo ankinina amin’olon-kafa na mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana fa tsy maintsy ny mpampianatra mpiasam-panjakana ihany no miandraikitra azy, hoy ny fivondronamben’ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny fanabeazana omaly. Tsy tokony hisy ihany koa ny faneriterena atao amin’ny mpampianatra izay mitaky ny rariny sy ny hitsiny, hoy izy ireo. Nisy ny fihaonana natao tamin’ny fiadidiana ny praiminisitra ny talata sy ny alarobia teo saingy tsy nahitam-bokany. Tsy matahotra na inona na  inona izahay ary dia ho hitanay eo izany hoe fepetra horaisin’ny minisitera izany, hoy Ratovoherinavalona Zafinjaka mpandrindra ny fivondronamben’ny mpampianatra. Etsy an-kilan’izay, manenjana ihany koa ny fivondronamben’ny sendika eo anivon’ny SSM ka nampiseho hery nanao diabe nitety an’Antananarivo omaly, niainga teny Ambohijatovo, niakatra teny Antaninarenina ary avy eo nihazo an’Anosy. Hita nilahatra sy nilanja sora-baventy ireo sendika isaky ny minisitera toy ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola, ny fampianarana, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana …. Tsy namokatra ihany koa ny fifampiresahana tamin’ny praiminisitra. Misy ny fanaovana tombo sy hala manoloana ny fitakiana natao teto, hoy ny filohan’ny SSM Fanirisoa Ernaivo satria tsy nampitovian’ny fitondram-panjakana tamin’ny mpanao politika izay tonga dia nahazo izay notadiaviny avy hatrany ny sendikan’ny mpiasa, kanefa ny mpiasa no manao ny asa. Mbola mamerina hatrany ny SSM fa tanterahana avokoa ny fitakiana isan-tsokajiny ka anisan’izany ny famerenana amin’ny asany ireo mpiasa sasany noesorina. Mitohy foana ny tolona sy ny diabe mandra-pahatanteraky ny fitakiana, hoy ireo mpitarika ny SSM omaly. Mikatso, araka izany, ny raharaha, ary hita fa tsy manana vahaolana ny fitondram-panjakana fa mifantoka tanteraka amin’ilay fifidianana, na tena manao be marenina fotsiny izao sy tsy te hahalala. Andrasana arak’izany amin’ity anio ity izay mety hitranga : hanetsika ny mpitandro filaminana hanery ny mpitokona hiasa ve ny fitondram-panjakana sa hanao inona ?

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT