Mihamitombo hatrany tato ho ato ireo mpianatra mandeha mitokona milanja sorabaventy manatevina ny tolon’ireo solombavambahoakan’ny fanovana 73 mianadahy etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Anisany ireo mpianatry ny CEG avy any Ambatomirahavavy, Ambohimanarina ary Nanisana.
Misy koa ireo tsy misy mampianatra fa mandeha mitokona ny mpampianatr’izy ireo. Raha ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly anefa dia ZAP 19 isa amin’ireo 1787 manerana ny Nosy ihany no tena misy sekoly sahirana. Miasa an-tsakany sy an-davany ireo DREN 22 miparitaka manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana 114 manerana ny Nosy, ny eo anivon’ny minisitera foibe, hoy izy ireo. Manaporofo izany fa mizotra an-tsakany sy an-davany ny fampianarana na dia eo aza ny fanelingelenana ateraky ny fitokonana. Notsiahivin’ity minisitera ity fa fotodrafitrasa maro no simba hatramin’ny nisian’ny fitokonana toy ny CEG sy lisea ao Ambatoria, any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Varavaram-pitaratra no simba, fitaovana vao avy napetaky ny FID tamin’ity taona 2018 ity. Toraka izany koa ny tao amin’ity lisea Nanisana sy Jules Ferry. Nanambara hatrany moa ny minisitera fa efa tonga nifona tao amin’izy ireo ny lohandohan’ny mpisorona nitarika ny famotehana ary nanamafy fa tsy hamerina intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.