Actualités

Fitokonan`ny mpiasam-panjakana Raikitra koa ny an`ny INSTAT


  • Zoma 01 Jona 2018

Manomboka mikatso tsikelikely ny fampandehanan-draharaham-panjakana eto amintsika. Araka izany, hafanafana etsy Anosy satria hitokona ny mpiasan’ny ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa (INSTAT) manomboka anio.

 Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpiasa manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Tsy hisy intsony ny fandraisana baiko avy amin`ny minisitra mpiahy, hoy ireo mpiasa omaly. Nambaran`izy ireo fa efa marobe ny olana mianjady ao amin`ity sampandraharaha iray ity, saingy natao ankilabao ny mpiasa. Araka ny fanambarana nataon`i Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan dia kamboty velon-dray izy ireo, mahakasika ireo olana marobe misy eo amin`ity sampandraharaha ity. Nodian’ny Minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana tsy hita anefa izany. Nanapa-kevitra izy ireo fa tsy handray baiko avy amin’io minisitra io intsony, mandra-pahatonga ny minisitra vaovao hiahy ny INSTAT. Nahitsy ny mpitondra teny fa zary lasa vato misakana ho an’ny fampandrosoana ny Minisitera ny tsy fijeren’ny minisitra mpiahy ireo mpiasa, izay eo ambany fiadidiany. Raha tojo olana ireo mpiasa, tsy misy vahaolana hoentin’ny minisitra hatramin`izay fa mizaka izany samy irery izy ireo. Ny mpiasan’ny Instat avy eto Antananarivo no efa tsy mandray baiko avy amin’ny Minisitra ary efa manatevin-daharana koa ny any amin`ny faritra. Maro amin’ireo mpiasan’ny Instat no tsy miasa raha vao nalain’ireo solombavambahoaka ho an’ny fanovana nanatanteraka ny tolona. Tara matetika ny fandoavan-karama ary matetika mitambatra telo na efa-bolana, ho an’ireo mpiasa tsy raikitra. Tsy misy hatrany ny vahaolana momba io fahataran’ny karama io avy amin`ny minisitra mpiahy fa ny talen’ny Instat no mamaha azy,  hoy hatrany izy ireo. Ankoatr’izay, raha misy fivorian’ny filankevi-pitantanana momba ny tetibola ilain’ny mpiasa ka miandry ny sonian’ny minisitra dia maharitra fotoana ela vao mivoaka. Tsy misy ny mba fitadiavam-bahaolan’ny Minisitra, ny amin’ny tokony hifampiresahany amin’ny minisitry ny tetibola sy ny vola. Vokany, lasa ireo mpiasa no mitady vahaolana, saingy tsy mahatapaka. « Matoa mbola hitanareo eto izahay, noho ny resaka RGPH-3, mahakasika ny fanisana ny mponina, izay tombontsoa ho an’ny firenena sy noho ny fitiavan-tanindrazana. Manentana ny vahoaka izahay, mba omeo vaovao ireo mpanadihady momba ny isan’ny mponina fa tena ilain’ny firenena », hoy hatrany Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan sy Pierre M. Ireto farany dia milaza fa tsy tokony hanana olana ara-bola kanefa tonga amin’izao krizy miseho izao ny INSTAT raha ny loharanom-bolany.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT