Actualités

Fitokanana ny Lapan’ny Tanŕna Io no sedra farany andrasan’i Andry Rajoelina


  • Alarobia 08 Desambra 2010


Araka ny fantatra dia ny lanonana atao amin’ny sabotsy 11 novambra izao no voalaza fa sedra farany andrasan’ny FAT amin’ny vahoakan’Antananarivo taorin’ireny tranga teny amin’ny BANI ireny. Araka ny loharanom-baovao mantsy dia nofy ratsy ho an’i Andry Rajoelina mivady mihitsy iny tranga teny amin’ny BANI iny ary tsy nampoizin’izy ireo hivaha intsony mihitsy. Ny zavatra hitranga amin’ny sabotsy kosa no andrasan’izy ireo farany ka raha tontosa soa aman-tsara izany dia mandeha ny fitondrana tetezamita araka ity loharanom-baovao ity. Hanao izay azony atao amin’ny fiambenana mihitsy ny filohan’ny tetezamita sy ireo manamboninahitra akaiky azy. Anisan’ireny ny FIS, ny mpiambina ny filoha izay tarihin’ny taleny ny kolonely Razafimahatratra Claude sy ny kolonely Fidimalala. Tsikaritry ny miaramila hafa sahady fa misy ny fanilihana azy ireo amin’ity tranga amin’ny sabotsy ity. Tonga hatramin’ny fizarana fandrisika mantsy ny resaka any ambadika any saingy tsy tonga any amin’ny miaramila ilay izy. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT