Telo taona izay no nisehoan’ity tantara mampalahelo manjo ny TIKO S.A izay orinasa Malagasy anisan’ny lehibe indrindra teto amin’ny ranomasimbe Indiana. Nanana mpiasa eo amin’ny 4.000 eo ho eo ary namelona tantsaha maro dia maro tamin’ny fividianana na famarotana akora momba ny fambolena sy ny fiompiana.
Ankehitriny dia hafarana avokoa ny entana novokarin’ity orinasa ity. Ary ny tena loza dia vahiny no ankamaroan’ny mpanafatra fa tsy mba Malagasy akory, raha tsy hiresaka afa tsy ny menaka sy ny dibera sy ny fromazy isika. Dia ho tombontsoan’ny firenena ve izany ? Dia ahoana ny fiakaran’ny sandan’ny vola vahiny noho isika manafatra foana ity ? Tokony hidina anefa izany satria dia mandalo kirizy izao any Eoropa any. Dia ahoana ny fiakaran’ny vidin’ny solika noho ny fiakaran’ny vola vahiny ? Izany rehetra izany dia vokatry ny fanafarana tafahoatra ataon’izao fitondrana izao, fa tsy misy fiheverana akory na kely monja aza ny orinasa malagasy.
Etsy andaniny, hita ho sahirana tokoa ireo mpiasa na ireo mpiara-miasa tamin’ity orinasa ity ankehitriny. Ny tena olana lehibe dia ny vokatr’izany amin’ny fiarahamonina manodidina. Raha tsy hiteny fotsiny afa tsy ny eny Tanjombato, ohatra, isika izay nisy ny foiben’ny orinasa, dia saika maty avokoa ireo mpivarotra kely manodidina nivelona tamin’ny mpiasan’ny Tiko. Ny any ambanivohitra moa, izay nivarotra ronono taminy dia lasa latsaka an-katerena tanteraka ankehitriny. Izany ve no tena tanjona tamin’ny fanidiana ny orinasa ? Sa tsy takatra fotsiny fa tsy ampy ny fisainana?
Fa inona marina tokoa àry no tokony ho natao raha mba tena tia tanindrazana izao fitondrana izao ? Angamba isika samy nahatsiaro ny fanampian’ny fitondrana amerikanina sy ireo firenen-dehibe tany Eoropa ho an’ireo orinasa sahirana nandritry ny kirizy farany teo. Satria ady no misy ankehitriny, ady amin’ireo mpifaninana vahiny. Ny antsika izany dia ady hanasoavana ireo orinasa vahiny no ataon’ny mpitondra. Mpamadika tanindrazana ve sa voazanaka ? Asa aloha fa ny mahafinaritra ankehitriny dia manomboka tonga saina isika Malagasy ka manjifa ireo entana novokarintsika na tsara io na ratsy. Tsy misy afa tsy izay no ahafahantsika mandroso. Aoka hilaozantsika ny “Akoho gasy” sy ny “alika gasy”, indrindra ny hoe “vita gasy” izay naneho fa tamin’izany fotoana izany fa izay vita Malagasy dia ratsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.