Actualités

Fitia tsy mba hetran’ny Antenimieram-pirenena Vitsy ny Depiote tonga omaly


  • Alarobia 04 Martsa 2015

Nangatsiatsiaka ny fanokafana ny hetsika fitia tsy mba hetra na téléthon nataon’ny Antenimieram-pirenena omaly teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Ankoatra ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitra dia vitsy dia vitsy ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara tazana teny an-toerana

 . Nandritra ny lahatenim-panokafana nataony moa dia niezaka nanazava ihany Atoa Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ity andrim-panjakana ity fa efa nisy nanao tany amin’ny toeran-kafa ireo Depiote. Nisy ihany koa moa ireo efa nanao izany adidy masina izany niaraka tamin’ny hetsika nataon’ny governementa. Haharitra roa andro  ity hetsika fitia tsy mba hetran’ny antenimieram-pirenena ity ka antenaina fa izay tsy tonga omaly mety ho tonga anio, hoy ny mpanotrona. Ny alakamisy ho avy izao no haterina eny amin’ny birao nasionaly mandrindra ny ady amin’ny loza voajanahary ireo vola          na zavatra voavory eny Tsimbazaza. Mikasika ny fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo Solombavambahoaka moa dia nasian’n’ny  filohan’ny Antenimieram-pirenena teny kely ihany fa tokony homena  azy ireo izany, hoy izy fa fitaovam-piasana tena ilaina  fa asa na fotoana tena mety hangatahana izany amin’izao mbola maha sempotra ny firenena amin’ny famonjena ny traboina izao ?

 

Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT