Actualités

Fitaterana eto an-drenivohitra Hotokanana anio ireo arręt nasiam-panavaozana


  • Talata 15 Febroary 2011

Mpiara-miombon’antoka amin’ny tanŕnan’Antananarivo nanomboka tamin’ny taona 2005 ny «Région île de France».

Mandalo eto an-drenivohitra ny delegasiona avy amin’ity faritra iray any Frantsa, ary hadimiana no haharetan’ny diany eto hijery ifotony ny fizotr’ireo tetikasa vatsiany vola. Nihaona tamin’ny Pds Edgard Razafindravahy izy ireo omaly. Tamin’io fotoana io koa no nanaovan-tsonia ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ity taona ity izay nahazoan’ny Kaominina Antananarivo lelavola mitentina iray tapitrisa euro hanatontosana tetikasa fampandrosoana miampy roa alina sy iray hetsy euros ho fampiodonan-draharaha.

Miompana amin’ny tetikasa PAMU, fanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto an-drenivohitra ny antsasa-manilan’ilay fanampiana, fanajariana ny Marais Masay ny valo alina sy iray hetsy euro ary roa alina sy iray hetsy euro hananganana tanana anehoana ny asa tanana eny amin’ny zaridainan’Andohalo. Mbola misy tetikasa madinika sy salantsalany koa manampy ireo. Hotokanana amin’ity anio ity miaraka amin’ireto vahiny ireto ny sasany amin’ireo fotodrafitrasa toy ny toerana fiandrasana fiara mpitatitra amin’ny lalana Ankatso–67ha izay ao anatin’ny tetikasa PAMU.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT