Actualités

Fitateram-bahoaka Mety hisy navety hiditra eto an-drenivohitra


  • Zoma 12 Aogositra 2016

Mety hisy navety hiditra eto an-drenivohitra. Ny kaominina no handray an-tanana izany, hevitra izay tsy tongatonga ho azy akory, fa niainga avy tamin’ny hetahetam-bahoaka.

 

 Na dia betsaka aza mantsy ireo taksibe eto an-drenivohitra dia saika  tsy mahafa-po ny rehetra  ny kalitaon’ny asa hatolotr’izy ireo. Voalohany amin’izany ny tsy fahalalam-pomban’ireo mpamily sy ny mpanampy azy  sasany izay  tsy manisy hasiny na dia kely monja aza amin’ny mpandeha matetika, ny seza avofoany izay efa mila tsy azo hipetrahana intsony ny an’ny  sasany,  ny fahadiovan’ny fiara ary indrindra  ny fodiana aloha sy ny tsy  fanaterana ny mpandeha hatrany amin’ny farany, mandrapahatongan’izay ora hifanarahana. Ny navety no heverin’ny rehetra fa hamaly ireo filàna fototra tadiaviny  amin’ny fitaterana ireo. Hiantso tsy ho ela ireo mpandraharaha vonona hanaja ireo fepetra ireo   ny kaominina izay tsy natao ho an’ireo  mafana fo am-boalohany fotsiny. Anisan’ny tena hitadiavan’ny mpanjifa ny  navety ihany koa moa ny mba hahafahana miantoka araka ny tokony ho izy ny fiarovana ny ain’izy ireo sy ny fananany manoloana ny firongatry ny mpangarom-paosy ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

Hijery ny tohiny
FTT