Hatreto dia tsy mbola nandray ny fanonerana ara-bola 140 Ar isaky ny litatra amin’ny gazoala 30 litatra isan’andro, nampanantenana ireo mpitatitra amin’ny zotra eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Noho ny pitsopitsony ara-taratasy takiana amin’ny mpitatitra no voalaza fa antony. Patanty, licence ary carte grise no notakiana teo aloha. Niampy dika mitovin’ny kara-panondron’ny tompon’ny fiara sy “contrat” indray izany nony taty aoriana. Fanonerana ny elanelam-bidy taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, mba tsy hampidangana ny saram-pitateraka amin’ny zotra iraisana ity nampanantenaina fa haloa ity. Tamin’ny faran’ny volana janoary no tetiandro nofaritana fa handoavana io tambim-bola io ; hifarana ihany ity ny volana febroary, tsy mbola nisy voaloa sa tsy manam-bola ny fanjana, ka mitady hirika hanalavana ny fotoana hatrany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.