Tanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ilay fitiliana sofina maimaimpoana karakarain’ny fikambanana Rotary club eto Antananarivo sy Ivato ary Antsirabe, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-110 taonan’ny Rotary Club International. Hiarahany amin’ny Starkey
hearing foundation ny hetsika ka olona lalodalovana miisa 4.000 no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany. Omaly fotsiny, ohatra, dia efa nahatratra 1.000 mahery ireo olona tonga teny an-toerana ka ny antsasak’ireo dia saika olona manana fahasembanana avokoa toy ireo tsy mahay miteny…Na izany aza anefa dia nambaran’ny mpikarakara fa tsy izay rehetra tonga no mahazo ilay fitaovana. Misy mantsy ny fitiliana manokana hatao ka ho an’ireo tsy manana olana, ohatra, fa maloto ny sofiny dia nodiovina izany. Ho an’ireo hita fa tena mila ilay fitaovana kosa dia nalaina lasitra avy hatrany ny sofiny ka afaka telo volana eo ho eo no tonga izany. 500 dolara ka hatramin’ny 1500 dolara moa ny vidin’ny fitaovana iray raha araka ny fanazavana azo hatrany saingy maimaimpoana izany ho an’ity hetsika iray ity. Haharitra telo andro izany ho antsika eto an-drenivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.