Niraradraraka ny kabary politikan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fitokanana toby famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro tany Ambohipihaonana.
Ny tena fanamby lehibe dia izay hahasoa ny vahoaka, indrindra ny fanajana ny safidiny dia ny latsa-bato amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika sy mangarahara ihany no tena ahitana azy, raha ny nambarany. Ny resaka fampianarana, dia mangataka ny fahendren’ny mpampianatra tsy hanao sorona ny zaza Malagasy ka hisian’ny taona fotsy ny filoha. Toa misy ihany ny vola hanaovana kolikoly, fa tsy misy kosa ny hamaliana ny fitakian’ny mpampianatra. Nalaza, ohatra, fa 3,95 miliara ariary no lany tamin’ny nanambazana ny depiote 79 nampandany ny lalàm-pifidianana. Adala ve ny sendika maro raha manao fitakiana ? Tsy vita ao anatin’ny iray volana ny fanarenana ny firenena izay niaina dimampolo taona tao anaty fahantrana, ka mila manova fomba fijery sy fomba fisaina isika hahatongavana amin’ny fisandratana ara-toekarena sy sosialy, hoy kosa ny filoha toa manaboribory resaka. Nilaza moa i Hery Rajaonarimampianina fa maro ireo zava-bitany goavana, ary mbola maro ihany koa no mbola hatao. Tsy niatrika ity fotoana ity moa ny praiminisitra Ntsay Christian, izay nihaona tamin’ny mpiasam-panjakana sy ny vahoakan’Antsiranana, ary nandritra izany no nanatanterahana lanonana ofisialy tao Ambilobe nanolorana ny mari-boninahi-pirenena « Grand-croix de 2 ème classe» ho azy. Toa somary takona tanteraka Rajaonarimampianina eo anatrehany, ary na ny vahiny aza dia sesilany ny fitsidihana ny lehiben’ny governemanta sy toa manadino an-dRajaonarimampianina, hany ka toa mikofokofoka mafy mba ho hita ity farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.