Miatrika fiofanana ao anatin’ny andro maromaro ireo polisy monisipaly an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tafiditra indrindra amin’ny vinan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izy ity dia ny hanatsarana hatrany ny asan’izy ireo eo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana.
Polisy monisipaly Malagasy iray miasa any Frantsa no tonga mizara ny traikefany amin’ny an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra araka ny fanazavana nomen’ny “chef de corps” ny Kaomisera Ratolojanahary Mahefa Ny Avo, nandritra ny fanokafana ofisialy ny fanofanana ny alakamisy teo. Teknika maro no zaraina ho azy ireo, eo ihany koa ny fampahafantarana ny andraikitr’izy ireo. Mitarika ny fanofanana ny polisy monisipaly Malagasy iray miasa any Frantsa, Saïd Soulé Rakotomanana. Ankoatra ny fizarana traikefa dia nisy ihany koa ny fampitaovana avy any Frantsa toy ny fanamiana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.