Fivoriana atsy, fivoriana aroa ! Izay no hita taorian’ny «fanagadrana», hoy ny havany, «fihazonana am-ponja vonjimaika», hoy ny fitsarana, nahazo ireo tovolahy 39 mirahalahy noho ilay sakoroka tao Toamasina ny alatsinainy 17 janoary teo.
Ny teo anivon’ny Kaominina notarihan’ny Talen’ny kabinetran’ny PDS aza voatery nihaona tamin’ireo fikambanana najoro maika taorian’ity fitanana am-ponja ny zoma alina teo ity. Samy manana ny heviny ny andaniny sy ny ankilany momba ity raharaha ity. Ny fianakaviana sy ny ray aman-drenin’ireo tovolahy voatana ireo milaza fa «fonja no miandry ny havanay sy ny zanakay, nefa mba maneho ny heviny noho ny antsojay atao aminy izy ireo, ary misy amin’ireo olona ireo no tsy misy idiran’ny raharaha akory nefa dia nosamborina». Ao koa ireo nilaza fa «tsy misy zavatra azo atao intsony izany eto amintsika, fa izay lazaina fa mpanelingelina Fanjakana dia fonja no miandry azy. Iza no tena mpanao jadona raha izany no izy ?».
Ny ankilany kosa dia nanamarika fa «matoa nisy ny fisamborana dia nisy ny heloka natao na nokasaina hatao, niaiky izany raha teo izy 39 mirahalahy nandritra ny fakana am-bavany azy teny amin’ny zandary». Ao koa no nanambara fa «henjana be ny ‘tsindry’ teo an-tsoroky ny mpitsara mikasika azy ireo, niarahana nahita rahateo fa novotsorana avokoa ireo olona am-polony voasambotra ny volana oktobra ny taona lasa, ka nitaraina ny tsy fandraisana andraikitry ny fitsarana ny mpitandro ny filaminana, ka ireny ny zoma ireny ny vokany».
Araka ny fanadihadiana teny anivon’ny fonja, dia 04 tamin’ireo 39 no tovolahy tsy ampy taona, ny ambiny 35 kosa dia vao feno taona avokoa sy manodidina ny 20 taona. Ny zava-misy noho izany, dia tafakatra 1.076 ny voafonja ao Ambalatavoahangy ankehitriny, ny 1.015 amin’ireo dia lehilahy avokoa ary 56 ny vehivavy. Ity fampidirana am-ponja ny zoma alina ity no olona maro indrindra nampidirina am-ponja nandritra ny volana janoary, fa raha jerena ny nomena sy homen’ny fitsarana MD ny taona vaovao fotsiny dia hanodidina ny 100 sahady, satria mety hanampy ireo voafonja ireo ny raharaha solika an’ny «Groupe Sodiat» Toamasina, izay efa mandalo mpitsara zokiolona mpanao famotorana ny raharaha hatramin’ny zoma teo no ho mankaty.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.