Miverina ny fandrangarangana hery sy famoretana ataon’ny fanjakana eo anatrehan’ny fitakiana sy fitokonana samihafa mbola misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.
Toa mananontanona indray ny fampiasan-kery sy ny lakrimozenina izay fomba fiady toa vao mainka mandrehitra afo miteraka fahatezerana ho an’ny olona. Nisafidy ny tsy hamela fivoriana ara-politika an-kalamanjana intsony ve ny fanjakana sa inona ilay tena tanjona nandrarana ny hetsiky ny HFI ? Milaza ny tsy maintsy hanao ny fitakiany izy ireo rahampitso zoma. Ny tolon’ny mpanabe ihany koa amin’izao efa temerina mpitandro ny filaminana, ary tsy eto Antananarivo ihany fa hatrany amin’ny faritany, toy ny any Fenoarivo Atsinanana. Rehefa tsy mahavaha olana amin’ny alalan’ny fifampiresahana hametrahany ny karazana didy tsy azo hivalozana avy aminy ny mpitondra, dia manomboka manao kopisoroka sy mampiasa hery. Raha noheverina fa kihon-dalana hitondra fanovana eo amin’ny fahafaha-maneho hevitra ny namelana malalaka ny tolon’ny depiote teny an-kianjan’ny 13 mey taorian’ny tifitra variraraka nahafatesana olona 4 sy naharatrana maro ny andron’ny 21 aprily, dia tsy izay no miseho. Toa miverina tanteraka amin’ny jadona sy ny famoretana indray ny mpitondra, raha toa ka tsy sinema, araka ny feo miely ny resaka hetsika politika miseho amin’izao izay malaza ihany koa fa ny fanjakana ihany no mamboly azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.