Actualités

Fitakiana sy fitokonana eny Ankatso Mitohy ary mihamafy hatrany


  • Talata 03 Jolay 2018

Samy manana ny fitakiany ny mpampianatra mpikaroka (SECES), ny mpandraharaha ary ny mpianatra eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, fa eo ihany koa ny fitakiana itambarana.

 

 Iraisan’ny rehetra ny fiaraha-mitaky ny fanalana ny “Agent Comptable” eo anivon’ny oniversite sy ireo ivontoerana nasionaly, izay heverina avy hatrany fa misy mampiahiahy ny fitantanana ara-bola matoa tonga amin’izany ny resaka. Eo ihany koa ny fanamboarana ny lalàm-pifidianana na ny “code electoral” eo anivon’ny Anjerimanontolo, fanatsarana ny toeram-piasana. Takian’ny mpianatra manokana kosa ny fandoavana ny vatsim-pianarana ara-potoana, ary tokony hifanaraka amin’ny vidim-piainana, toeram-pianarana sy fitaovam-pianarana mifanaraka amin’ny rafitra LMD, fanatsarana ny « connexion internet », fanatsarana ny toeram-ponenana sy fampidinana ny hofan-trano ho 10 000 Ar ny “cité” tranainy ary 20 000Ar ny vaovao, fanalana ireo olona tsy mpianatra mipetraka eny, fampidinana ny saram-pisoratana ara-pedagojika ao amin’ny fakioliten’ny teny aman-tsoratra na ny FLSH sy ENS mba hitovy amin’ireo fakiolite hafa ... Ho an’ny mpandraharaha kosa, dia takian’izy ireo ny fandefasana ara-potoana ny “transfert des subventions” vola hampandehanan-draharaha, averina amin’ny taloha ka harotsaka indray mandeha ny 12 volana mba hampandeha ny raharaha eo anivon’ny oniversite ka tsy hisy ny fitaintainana lava ny mety hisian’ny fahataran’ny karama ; fampiakarana ny « Indemnité de logement » ho 300 000 Ar/ mois ; fanomezana ny « Indemnité de transport » 100 000 Ar isam-bolana… Ho an’ny mpampianatra ny fandoavana ny ora fanampiny ara-potoana sy tsy asiana fetra ny ora azo hanaovana fanambarana, fandoavana ny « Indemnité de recherche » ho an’ireo « retraités chercheurs », fangatahana ny hanafoanana ilay « arrêté ministériel » ao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izay manakana ny « avancement, reclassement, aménagement et recrutement des fonctionnaires ».

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT