Tsy mihemotra intsony i pastera Mailhol kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena manoloana ny fitakiana ireo tangoronosy na “îles éparses” izay fananantsika Malagasy madiodio.
Tonga nametraka ny fangatahana mifandraika amin’izany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny tenany omaly, notronin’ny talen’ny fampielezan-keviny Atoa Paolo Raholinarivo. Nambarany tamin’izany fa tokony hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny Malagasy rehetra manoloana ny fitakiana io îles éparses io na ho eny na ho tsia. Ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana no natoniny sy nametrahany ny fangatahana tamin’izany satria ity andrim-panjakana iray ity hoy izy no afaka mibaiko ny governemanta hanatanteraka io fitsapan-kevi-bahoaka io na ho “eny” na “tsia”. Mialoha ny fifididiana no takian’ny pastera hanatanterahana izany. Tsy ela mantsy hoy izy ny mikarakara izany fa vetivety monja. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa na mahazo valiny izy ireo na tsia dia hanao fanangonan-tsonia manerana ny Nosy ka olona miisa 1.000.000 no ezahiny hanaovana izany hahalalana marina na mitaky ny îles éparses ny Malagasy na tsia. Noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana soa aman-tsara moa ity fangatahana ity. Nomarihin’ny pastera Mailhol moa fa efa misy amin’ireo karazan’olona mitaky ny hamerenana ny îles éparses no efa miara-dia aminy ankehitriny toy ny profesora James Ratsima, ny talen’ny fampielezan-kevitra Atoa Paolo Raholinarivo….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.