Actualités

Fitadiavana Nifindra lasy ao Toamasina ireo mpivarotena teto Iarivo


  • Alarobia 21 Mey 2014

Taorian’ny nampiharan’ny Kaominin’Antananarivo ny lalàna fikatonan’ireo trano fisotroana amin’ny 09 ora alina sy nanenjehana ihany koa ireo mpivarotena mijorojoro amin’ny sisin’arabe maromaro, dia lasa nifindra lasy ao Toamasina ny sasany amin’izy ireo ankehitriny.

 Taksibrosy iray mihitsy no nahatongavan’izy ireo ao Toamasina nanomboka ny alatsinainy teo, ka saika ireo manao ny asany tao 67ha sy Analakely ary Tsaralalana avokoa izy ireto. Tsy vehivavy ihany anefa fa misy lehilahy pelaka ihany koa. Araka ny fanazavan’ny fikambanan’ireo mpivarotena ao Toamasina, dia mbola malalaka ny tsena ho azy ireo any an-toerana ka izay no nampisy ireto “arrivage” ireto. Misy ihany koa ireo mpanera mpitady mpanjifa ho azy ireo. Na izany aza dia matahotra ny ho very mpanjifa ireo efa mpanao ity asa ity ao Toamasina noho ireto mpifaninana amin’izy ireo vao tonga ireto, izay voalaza fa manao tolotra manokana mba hisintonana mpanjifa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT