Mbola tena ambany dia ambany tokoa ny tahan’ny fisotroana ronono eto amintsika, araka ny tatitry ny Malagasy Dairy Board ( MDB), omaly. 1 sotrokely isan’olona isan’andro monja mantsy izany, manome 5 litatra isan’olona isan-taona.
Any amin’ny tany Afrikanina sasany anefa dia efa mahatratra 20 litatra isan’olona isan-taona, raha efa 250 litatra isan’olona isan-taona kosa, any amin’ireo firenena Eoropeanina. Anisan’ny antony iray mety mahatara ny fampandrosoana eto amintsika ihany koa io, hoy Atoa Haingotiana Razafindraibe, filohan’ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny MDB. Noho izay antony izay indrindra dia hikarakara ilay andron’ny ronono, izay hankalazaina ny 1, 2 ary 3 jona ho avy izao izy ireo, eny amin’ny Centre By Pass Alasora. Hivoitra mandritra ireo telo andro ireo ny fisotroana ronono maimaimpoana ho an’ny rehetra, ao anatin’ilay hetsika “don-kaompin-dronono”. Hisy ihany koa ny fivarotana ireo karazan-tsakafo vita amin’ny ronono maro, toy ny yaourt sy ny fraomazy, ka anisan’ny handray anjara mavitrika ny orinasa Socolait. Tsy ho latsa-danja amin’ireo ny torohevitra omena ireo tantsaha mpamokatra, hahafahana mampiakatra sy manatsara ny lalam-pihariana ronono eto amintsika. Mbola mijanona ho 5 litatra isaky ny omby isan’andro ihany mantsy ny vokatra ronono azo avy amin’ireo ombivavy be ronono eto amintsika, raha tokony hahatratra hatrany amin’ny 10 litatra isan’andro izany, raha kely indrindra. Anisan’ny mpanohana ofisialy ity hetsika ity moa ny Airtel ho fampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono sy ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Efa am-polony taona no niarahan’ny MBD sy ny Airtel niasa raha tsiahivina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.