Actualités

Fisolokiana sy fanaovana vola sandoka Liberianina sy Gineanina tratra tao Toamasina


  • Sabotsy 10 Mey 2014

“Vokatry ny vaovao azo tamin’ny olona tsara sitrapo, dia voasambotray ireo teratany afrikanina mpanao vola sandoka sy mpisoloky olona. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nefa anjaran’ny fitsarana ny sisa…”.

 Izay no nambaran’ny kaomisera Ramahenina Anselme misahana ny polisy ara-toekarena sy heloka ara-bola ao Toamasina. Nomarihany anefa fa mazava ny lalàna maneran-tany, mahavoasazy asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka, manginy fotsiny ny fisolokiana. Araka ny fanazavana dia vola dolara no tena ataon’izy ireo amin’ny fampiasana hafetsena sy fandraikerekena amin’ireo olona tiany hasiana. Manana vola dolara tena izy izy ireo atao anaty “coffre” ary ny ambiny dia taratasy mitovy refy amin’ny dolara maro be.

Mandritra ny fotoana handreseny lahatra ilay olona tiany hofitahana sy omena vola dolara tena izy ireo amin’ny fampiasany ireo loko sy vovoka fampiasan’izy ireo. Roboka tokoa ireo mahita izany ka misy ny sahy mamoaka vola be mba hividianana ilay karazana loko sy vovoka. Manodidina ny 6 tapitrisa Ariary hatramin’ny 20 tapitrisa Ariary no alain’izy ireo amin’izany. Ny volana martsa 2014 teo no tonga tao Toamasina ireto Liberianina sy Gineanina ireto, izay mbola nisoloky tompon-trano nofain’izy ireo ihany koa tamin’ny hofan-trano. “Raha tena nahavita vola dolara maro be toy izao ireo afrikanina ireo tsy nandeha taty amintsika, fa nijanona tany aminy namelon-tena. Koa aoka tsy hanaiky hofitahana isika na eo aza ny fahantrantsika Malagasy”, hoy ny kaomisera Ramahenina Anselme. Mbola misy Ivoarianina sy Senegaley koa mbola karohana naman’izy roa lahy tratra ireto, izay mbola mitondra vola dolara sandoka any aminy sy taratasy famitahana olona fanaon’izy ireo ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT