Actualités

Fisolokiana avo lenta Tambajotra iray saron’ny zandary


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Nahitam-bokatra ny ezaka nataon’ny Zandary avy ao amin’ny Sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana tamin’ny fitadiavana tambajotra mpanao asa fisolokiana.

Olona telo havanana sy fanta-daza amin’izany no sarona tamin’iny faran’ny herinandro teo, izay efa nokarohina fatratra. Tany amin’ny volana mey 2010 no efa nanaovan’izy ireto ny asa fisolokiana ka mihoatra ny olona 30 no niharan’izany tao anatin’ny iray volana monja. Fampiasana vola fiompiana akoho fangalana nofony izay lazainy fa averina mihoa-pampana ny tombom-barotra afaka 45 andro no nandrebireben’izy ireo olona tamin’izany. Ny volana jolay 2010 indray dia naka vola tamin’ireny mpamongady vary ireny izy ireo izay milaza fa afaka mamatsy vary amin’ny taonina maro nefa dia iny no tsy hita. Niharan’ity fisolokiana ity koa ny La Gastro Pizza ny volana septambra 2010 teo tamin’ny alalan’ny famatsiana ireo entana fampiasany andavanandro. Raha atambatra dia mpanambola maherin’ny 40 teto Antananarivo Renivohitra no tena voafitaka ary efa nahazoany vola mihoatra ny 180.000.000 ariary.  Tsy mandehandeha ho azy anefa izany asa ratsy izany fa mifangaro amin’ny fampiasana fanafody gasy antsoina hoe : «bemanaiky» entiny mandraikiraiky ny olona kendreny. Tratra tao an-tranon’izy ireo ny karazam-panafody miaraka amin’ny raiki-pohy na toromarika fampiasana azy. Loharanom-baovao azo tamin’olon-tsotra tsara sitrapo no nahafahana nisambotra azy ireo izay efa nahazoana taratasy fitoriana am-polony. Marihina fa ilay vehivavy no tena atidoha mikotrika ity fisolokiana izay mbola mamita sazy any am-ponja amin’izao fotoana izao. Niaiky ny heloka nataony izy telo ireo raha natolotra ny fitsarana ny 10 Janoary 2011 ary notazonina vonjimaika any am-ponja avokoa.

Tsy tery lalana ny mpanao ratsy ka mila mitandrina ny rehetra satria fantatra fa mbola misy miriaria any ny naman’izy ireo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT