Actualités

Fisandohana ho mpitsara Tratra ambodiomby i Andriamanambelona James


  • Zoma 20 Febroary 2015

Ny talata 10 febroary teo no tonga tao Toamasina Atoa Andriamanambelona James ary nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Beryl Hotel” Tanambao V. Nanomboka teo dia efa nampiasa ny fisandohany ho mpitsara ny tenany, satria io maha mpitsara azy io no misoratra amin’ny bokin’ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany

 

. Ny talata 17 febroary vao mangiran-dratsy teo no nanaovan’ny polisy sarika am-pandriana azy. Tao anatin’ny 5 andro nijanonany tao Toamasina izay dia olona efatra no efa nofitahany ka ny roa nahazoany vola 5.500.000 Ar, ny iray nahazoany 5.000.000 Ar ny farany kosa 500.000 Ar, noho ny resaka raharaham-pitsarana. Ireo roa ambiny kosa mbola eo am-piadiana varotra ka ny iray ray aman-drenina mpitsara. Vokatr’io fisolokiana io dia nitory teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ny roa efa nandoa vola, ireo roa hafa kosa nametraka izany teo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana. Nanomboka teo ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity mpisandoka ho mpitsara ity. Tamin’ny fisamborana azy tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny natoriany, no nahatrarana ny karatra fisandohany ho mpitsara sy antontan-taratasin’ireo olona nofitahany ihany koa. Miandry fitsarana any am-ponja Atoa Andriamanambelona James taorian’ny niakarany fampanoavana omaly. Fa ny mampieritreritra ihany koa dia ahoana ny momba ireo olona nanaiky nanome vola ? Ekena fa mpisoloky no niaraha-niasa fa na izany aza dia azo henjehina araka ny lalàna ihany koa izy ireny satria nanao kolikoly ireo olona efa nanaiky nanome vola an’ity mpitsara sandoka ity.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT