Actualités

FIS Iza no mifehy azy?


  • Alatsinainy 03 Janoary 2011

Vondron-tafika iray mampiaiky volagna ny rehetra, na sivily na miaramila ny Force d`Intervention Spéciale na ny FIS.

Tsy ho tanisaina eto izay rehetra nataony hatramin`ny fotoana namoronan`ny FAT azy. Isan`ny asa faramparany nataon`ny FIS ohatra ny fandravana ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena teny amin`ny BANI ny tolakandron’ny sabotsy 20 novambra 2010. Taorian’iny fisehoan-javatra iny dia maro no velom-panontaniana, hoe : hatramin`ireo manamboninahitra be galona eo anivon`ny foloalindahy sy tompon`andraikitra eo anivon`ny tafika aza ve dia eo ambany vahohon`ny FIS ? Karazan`ny nitazam-potsiny mantsy izy ireo, raha ny fijery azy, tsy nahasakana ireny fanimbazimbana sy herisetra nihatra tamin`ireo manamboninahitra sy ny fandrobana ireo fiara nijanona teo ivelan`ny trano nivorian’izy ireo tao amin’ny tobin`ny BANI tamin’io sabotsy 20 novambra io. Raha tsiahivina moa dia isan`ny fitakiana ataon`ny Ankolafy Telo amin`ny famerenana amin`ny laoniny ny fiainam-pirenena ny fanafoanana ny FIS sy ny CNME. Ny Frantsay, tamin’ny alalan’ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara, Jean Marc Chataignier, ihany koa aza dia isan’ny nangataka ny hanafoanana ny FIS, nandritra ny kabariny ny 14 jolay 2010.

Nangonin`i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT