Vanim-potoana firongatry ny valala eto Madagasikara ankehitriny.
Matoky anefa ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena sy ny fiompiana na FAO fa ho tratra ireo tanjon’ny dingana voalohany amin’ny famongorana ny fihanaky ny valala amin’ny volana aogositra 2014. Velarantany maherin’ny 604.000 ha no efa voatsabo. Nahomby ny ady amin’ny valala matoa mitsoaka an-drenivohitra sy ny manodidina izy ireo, hoy ny fanazavana.
Mitohy ny paikady amin’ny hetsika famongorana ka voakasika manokana amin’izany ny faritra Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Itasy, Melaky ary Vakinankaratra. Manamafy ireo fisorohana mialoha, mandritra ary aorian’ny fihanaky ny fanafodim-bibikely amin’ny fahasalaman’ny olona sy ny tontolo iainana ny FAO, indrindra ho an’ireo mponina amin’ny faritra mila fitsaboana. Anisan’izany ny fisintahana amin’ny toerana tsaboina, ny fanalavirana ireo valala torana na matin’ny fanafody ary ny fanajana ny fe-potoana 6 andro mialoha ny fanangonam-bokatra na fiandrasana biby fiompy eny an-tsaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.