Tany Toamasina nandritra ny fanasoniavana ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpitantana ny Spat sy ny tale jeneralin’ny Bianco no nahafantarana fa be loatra ny vola very eto amintsika isan-taona noho ny kolikoly sy ny tsy fahaizana mitantan’ny fanjakana, satria mahatratra 250 miliara ariary be izao izay efa hahavitana manamboatra lalana voarakotra tara mirefy 1250 km. Lasa eny am-pelatanan’olom-bitsy fotsiny io vola be io. Hita amin’ny sehatra rehetra eto Madagasikara ny kolikoly ary na dia misy asa ny lalana sy rafitra miady aminy eto dia nitombo ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara tato anatin’ny roa taona izao. Ho an’ny Spat kosa dia fandraisan’izy ireo anjara amin’ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny kolikoly ity sonia vita teo amin’ny Bianco nosoloin’ny tale jeneraliny tena Atoa Andriamifidy Jean Louis sy ny tale jeneralin’ny Spat Atoa Avellin Christian Eddy. Efa naneho ny fangaraharahana hatrany izy ireo hatramin’izay ka mila tohizana mba hifanomezan’izy ireo toky amin’ny mpiara-miombona antoka aminy fa manaja tanteraka ny lalàna velona ny Spat. Misy lamina sy fe-potoana arahana ao anatin’ny drafitrasan’ny Spat entina miady amin’ny kolikoly izay manomboka izao hatramin’ny taona 2025, fotoana hisian’ny asa goavana amin’ny fanitarana ny seranana iarahan’ny Spat amin’ny Jica ny drafitra napetraka. Ho an’ny Bianco dia miditra amin’ny dingana faharoa ny fametrahana rafitra izy ireo izao, ka hatramin’ny taona 2019 dia ny fametrahana ny rafitra sy ny fampanarahana ny lalàna no tanjon’izy ireo, izay raha teo no antony nametrahana ny PAC na “Pole Anti-Corruption” eto Antananarivo farany teo, ary hapetraka tsy ho ela koa ny any Toamasina sy ny faritra efatra ambiny. Ankoatra izay dia ny taona 2020 hatramin’ny taona 2025 kosa no hiditra amin’ny dingana fahatelo ny Bianco, ka ity no antsoin’izy ireo hoe “dingan’ny tsotsorimamba hisarahana” amin’ny fampiharana tsy misy fepetra ny lalàna momba ny kolikoly. Mitaky finiavana feno amin’ny fanjakana izany satria anisan’ny tena tsara aty afrika ny lalàna miady amin’ny kolikoly Malagasy, nefa raha ny vokatra dia resin’ireo firenena afrikanina maro i Madagasikara.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.