Actualités

FIP Toamasina Niasa mafy, nanenjika “bois de rose”


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Vaovao anisan’ny nahazo vahana sy nahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara sy ny mpitondra FAT, ny resaka bolabola na ny «bois de rose». Efa namoahan’ireo mpiaro ny tontolo iainana vahiny horonantsary mihitsy ny zava-misy rehetra, sy ny fomba ratsy amin’ny fanaovana trafika atao ary ny antony nandringanana ireo hazo sarobidy Malagasy ireo natao tantely afa-drakotra.

Nandritra ny roa taona izao, nifangaro tao anatin’ity raharaha bolabola ity ny fanakanana sy fampirisihana, ny fiadiana sy ny firaisana tsikombakomba, ary ny fiarovana sy ny trafika ambadika. Maro be anefa ny zavatra manjavozavo amin’ity raharaha ity, ireo mpitatitra sy mpibata hazo no voasambotra sy ampidirina am-ponja, tsy fantatra kosa  anefa hoe iza avy no tena atidoha mikotrika ny trafikana “bois de rose” eto, na dia nisy anaran’olona notononina, saingy tsy voamarina na misy ary eto an-toerana sa aiza, taorian’ny nahatratrana “bois de rose” milanja 300 taonina tatsy Kaomoro ny volana jona 2010.

Ny azo antoka fotsiny araka ny fanangonam-baovao rehetra natao dia olona akaikin’ny fitondrana no tena mahazo tombony be amin’ity raharaha ity. Ny mpitandro ny filaminana tao anatin’izay sady niasa tamin’ny fony no niharan’ny teritery sy baiko midina samy hafa ihany koa. Nampiasa ny fahaizany nandritra ny fikarohana sy fisamborana ary fanaraha-maso ireo trafikana bolabola ny teo anivon’ny FIP Toamasina. Ireo trafika tratra na ny tamin’ny lalam-pirenena faha-05 na ny lalam-pirenena faha-02 dia saika izy ireo avokoa no nahatratra azy. Mbola ny FIP Toamasina koa aza no nampivoaka ny tsiambaratelon’ny trafika nisy momba ity bolabola ity tao Toamasina.

Na niaina terirery sy baiko midina ary fandrahonana aza izy ireo dia nahatsapa ny hetsika nataony ny teo anivon’ny Faritra Atsinanana sy ny talen’ny tontolo iainana sy ny ala, ka dia nisy ny taratasy fisaorana manokana natao amin’ny anaran’ireo FIP valo mirahalahy nahavita be tamin’ny fanenjehana mikasika ity bolabola ity tao Toamasina, ka anisan’ny nahazo izany ny komandan’ny FIP Toamasina. Nambaran’ity farany fa «tsy fankasitrahana na fisaorana isaky ny asa vita no tena tadiavinay polisy amin’ny mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny firenena anay izahay, fa ny fahatsapan’ny mpitondra fa miasa ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiarovana izay sahaniny, ary mba misy mahita ny asa atao fa tsy sanatria hiasa lava jamba rafozana eto». Nomarihany hatrany fa «fampirisihana anay hanao asa mafimafy kokoa ny fahatsapan’ny mpitondra ny asa vita tahaka izao, araka ny filamatry ny FIP Malagasy koa manao hoe ‘Qui ose Gagne’ ».

 
Nangonin’i RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT