Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Tena marefo i Madagasikara


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Fahatelo amin’ny firenena marefo indrindra maneran-tany amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara.

  Misy fiantraikany ratsy amin’ny sehatra toekarena mihitsy izany raha tsy hiteny afa tsy ny ny voka-dratsin’ny fahataran’ny ranon’orana tamin’ireny fiandohan’ny taona 2017 ireny. Potika ny fambolena, ny ala, ny fiompiana, ny jono ary niantraika tamin’ny fahasalamana ihany koa. Noho izany antony izany no nanaovana ny  atrikasa tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly talata 7 aogositra. Fanehoana ny filàna misy mba hipaka any ifotony ireo antontan-kevitra sy ny vaovao mahakasika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Fiaraha-miasa ihany koa amin’ny sampandraharahan’ny famantarana ny toetr’andro ary efa nahazoana fanampiana tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ho amin’ny tontolo iainana (FEM) sy ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tanjona ny fampahafantarana eny ifotony mihitsy ny vaovao tsara ho fantatra mahakasika ny toetr’andro amin’ny ankapobeny ahafahan’ny tsirairay mandrindra ny asany andavanandro indrindra eo amin’ny sehatra fambolena sy jono ary ny fiarovana sy fambolena hazo. Ny fanatsarana ny fampitana vaovao dia miainga any amin’ny teknisiana ka nojerena manokana ny fampiofanana azy ireo mba ho fanatsarana ny paikady rehetra amin’ny fanomezana ny vaovao eny ifotony.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT