Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Mila mivonona ny firenena Malagasy


  • Alarobia 16 Aprily 2014

Saro-pady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny toerana jeografika misy an’i Madagasikara. Misedra loza ara-boajanahary foana ny ampahefatry ny mponina ao, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena.

 Fahavoazana goavana hatrany no miseho aorian’ny fandalovan’ny rivodoza na fahatondrahana. Eo ny fahapotehan’ireo fotodrafitrasa fa misy ihany koa ny olana mihatra aman’aina. Ny 80%-n’ny Malagasy, ohatra, no tratran’ny tsy filaminana ara-tsakafo noho ny mosary tamin’ny taona 2010. Tafiditra ao anatin’ireo firenena 10 voalohany ny firenena Malagasy amin’ny taham-pahafatesana mifandraika amin’ny rivodoza izay manodidina ny 30 hatramin’ny 100 isan-taona.

Voakasika ny lafiny trano fonenana, ny fambolena sy fiompiana, ny varotra, ny fizahantany ary ny sehatry ny fitaterana. Lasibatra ireo faritra mpamokatra, indrindra ny sompitra ara-bary sy ny famokarana lavanila. Tsy afa-bela amin’ny maintany koa ireo faritra telo amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Firenena maro aty Afrika no efa manome lanja manokana io fiovaovan’ny toetr’andro io ka tokony hijery akaiky ny fiatrehana izany koa ny mpitondra fanjakana Malagasy. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

Hijery ny tohiny
FTT