Actualités

Finoana FPVM Rava ny filankevi-pitantanana ?


  • Alarobia 26 Janoary 2011


Hatairana ny an'ireo mpino Fpvm, andro vitsy lasa izay, raha nahalala fa rava avokoa ny komity mpitantana ity fiangonana ity. Araka ny loharanom-baovao dia voalohany amin'izany ny filankevi-pitantanana. Tsy nisy hatreto ny fanazavana amin'ny fomba ofisialy mikasika izany saingy araka ny tsiliantsofina dia niteraka tsy fifankahazoan-kevitra teo amin’ny samy mpitantana ao amin’ity fiangonana ity ilay raharaha horonantsary mamoafady Fpvm iny. Nisy zanaky ny fiangonana rahateo notanana am-ponja vokatr'izany. Nisy ireo izay tsy faly tamin'ny fanagadrana. Mbola ho tantara lava ny mikasika ity raharaha ity satria ahiana ny hisian'ny fivakisana indray eo amin'ity finoana ity raha izao no mitohy.

 Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT