Actualités

Findramam-bola eny amin’ny banky Mbola mampatahotra ny mpanjifa maro


  • Zoma 06 Jolay 2018

Mbola mampatahotra ny mpanjifa maro ny findramam-bola eny amin’ny banky ankehitriny.

 

Ny fanaraha-maso ilay vola mivoaka sy miditra ao anatin’ilay kaonty mihitsy amin’ny ankapobeny no tena mampanahy ny maro. Mbola vao 5 % monja ireo Malagasy miditra ao anatin’izany ka anisan’ireny ireo mikirakira sy manan-draharaha eny anivon’ny banky. Miezaka ny mamaha olana mifandraika amin’izay ny banky BNI  ankehitriny, izay nampiantsoany mpanao gazety teny Analakely omaly. Nahenan’izy ireo ho 15 % ny zana-bola alaina amin’ireo mpanjifany raha 18 % no tena ara-dalàna.  Afaka mahazo avokoa ny zokiolona sy ny mpiasa eny amin’ny sehatra tsy miankina ary ny mpiasam-panjakana ka ao anatin’ny enina ka hatramin’ny 60 volana no handoavana ny vola.  Ny 33 %-n’ny karaman’ilay olona ihany anefa no azon’ity banky ity alaina isam-bolana raha isaky ny telo volana ho an’ireo zokiolona efa nahazo taona. Misy karazany ireo fampindramam-bola ireo ka anisan’ireny ny credit Malaky, Vina, Vaika, Soavadia, Valisoa.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT