Actualités

FIM andiany faha-10 Manandratra hatrany ny vita Malagasy


  • Alakamisy 19 Febroary 2015

Hotanterahina ny 07 ka hatramin’ny 10 mey ho avy izao indray ny andiany fahafolo amin’ilay Foara iraisam-pirenena eto Madagascar (FIM) hatao etsy amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato

 

. Mifanindran-dalana indrindra amin’ny fahasivy taona niarahan’ny komity mpikarakara tamin’ny pavillon France niasa izy io, entina hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Tombony lehibe ho antsika eto Madagasikara izany, araka ny fanazavana azo omaly. Ankoatra ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekarena amin’ny alalan’ny fanandratana ny vita Malagasy mantsy dia hiitatra hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ka anisan’ny tena hahazo vahana amin’izany ireo orinasa ao amin’ny Nosy rahavavy La Réunion. Ho avy handray anjara amin’ny FIM avokoa ny ankamaroan’izy ireo hanatevina ny fiaraha-miasany amin’ireo orinasa Malagasy. Tanjona ny hahafahana mifanakalo traikefa ankoatra ny fifanohana amin’ireo fiaraha-miasa azo hatao rehetra ho fampandrosoana ny firenena. An-jatony ireo tranoheva handray anjara amin’izany.

 

Pati


 

           

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT