Actualités

Filohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra Epp Tongarivo Nanolotra fitaovan-tsekoly ho an’ireo mpianatra traboina


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Efa halohalika ara-bakiteny ny rano eny amin’ny faritr’Ambohimanatrika, Ambohitseheno ary Tanjombato. Tafakatra an-jatony maro ireo traboina. Vokatr’izany dia tsy afaka manohy ny fianarany ny mpianatra efa ho herinandro maromaro izay. Miteraka fahataran’ny fandaharam-pianarana izany, araka ny

 

fitarainan’ireo talen-tsekoly ka anisan’ny mijaly indrindra  ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana Cepe amin’ity taona ity. Nangataka alalana tamin’ny lehiben’ny Cisco mba ahafahana manapitra ny fandaharam-pianarana hiomanana amin’izay ireo talen-tsekoly sy ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny olana anefa dia lasa toeram-pandraisana traboina avokoa ny ankamaroan’ireo toeram-pianarana eny amin’ny Faritr’Atsimondrano ka tsy misy toerana ahafahan’ny mpianatra manohy ny fianarany. Ho an’ireo sekoly izay tsy ahitana traboina kosa dia tsy maintsy miverina amin’ny hariva ny mpianatra ahazoany manenjika sy manatratra ny fandaharam-pianarany. Hatreto aloha, noho ny antony samihafa dia mbola ny 60%-n’ny ankizy ihany no tonga mamonjy izany fianarana izany. Ho fanampiana azy ireo amin’izay fiverenan-kariva izay dia nanolotra fitaovana  toy ny kahie, stylo, fanipihana hanamaivanana ny vesatra ho an’ireo ray aman-dreny ary nanome "imprimante ho an’ny "Epp" Tongarivo Tanjombato tamin’ny anaran’ny maha filohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra azy Atoa Andry Ratsivahiny tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT