Actualités

Filoha Rajaonarimampianina Nomen-dRavatomanga 4x4 ?


  • Alarobia 30 Aprily 2014

Malaza mihitsy ity resaka 4x4 ity tao anatin’izao fitondrana vao mijoro izao. Raha tsy mivalona akory mantsy ny amin’ireo 4x4 miisa 350 ambara fa fanomezana ho an’ny fiadidiana ny Repoblika dia mandeha indray izao ny feo fa nisy nanolotra fiara tsy mataho-dalana na 4x4 iray hiaka farany amin’irony V8 ireo koa ny filoham-pirenena.

 Raha mpandraharaha Sinoa no tao ambadik’ireo fiara an-jatony efa mitoby eny Iavoloha dia teratany malagasy kosa no re fa nanome azy ilay 4x4 raitra io. Ny tsy voalaza kosa aloha hatreto dia ny hoe fanomezana noho ny tsingerintaona nahaterahana ve izy io sa vokatry ny hafaliam-po sa noho ny fifankahalalana fotsiny ? Zon’ny filoha ny mitaingina sy manana fiara 4x4 raitra. Ny Malagasy anefa no milaza fa ny ahiahy tsy ihavanana. Raha tena nisy tokoa ilay fanomezana sao mamatotra azy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ka mampisy henamaso na hivadika ho kinamanamana ka ho tonga any amin’ny tsimatimanota amin’izao firenena efa trotraky ny krizy izao. Sanatria !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT