Actualités

Fikomiana teny amin’ny RAS Herintaona aty aoriana, marisarisa ny foloalindahy


  • Talata 28 Desambra 2010

Herintaona katroka amin’ity 28 desambra 2010 ity raha ny daty saingy omaly alatsinainy raha ny andro no nisiana fanambarana nataon’ny adjidŕ-sefo, Ratsimihafindramanana Daniel, niainga teny amin’ny tobin’ny Rezimantan’ny Andry sy Tohana na RAS eny Betongolo.

Fanambarana nataony tamin’ny anaran’ny fikambanan’ny manamboninahitra lefitra sy kaporaly ary ny miaramila an-daharana, milaza fa “tsy manaiky ny fanaovana tsinontsinona ny zon’ny manamboninahitra lefitra amin’ny lafiny maro”. Ary tamin’izany no efa nanomboka ny fitakiana ny fampiharana ny “Assise Militaire” natao teny Ivato ny 27 sy 28 mey 2009. Toy izany ireo kaporaly sy ny miaramila an-daharana izay tsy manaiky ny fanaovana tsinontsinona ny zon’izy ireo amin’ny fisondrotana laharam-boninahitra sy ny karama tokony horaisin’izy ireo. Mbola tao anatin’ny fanambarana koa no andavan’izy ireo marindrano ny fanaovan’ny miaramila politika satria lasa ataon’ny mpanao politika saribakoly fotsiny.

Tamin’izany no efa nanamarika tamin’ny fanambarana ny miaramila fa “latsaka ankaterena ny firenena, miditra ny mosary, be ny tsy an’asa sy ny very asa, tsy misy intsony ny fandriampahalemana”. Tamin’izany koa dia efa niainga ny antso teo amin’ny samy manamboninahitra lefitra rehetra, miaramila, zandary ary polisy, hifanome tanana amin’ny fanarenana ny firenena. Ny fampiharana ny lalàna nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba moa no voaresaka tamin’izay ary tonga hatrany amin’ny fanomezana fe-potoana 48 ora, taorian’ilay fanambarana, hametrahana governemantan’ny marimaritra iraisana sy ny andrimpanjakana rehetra hidirana haingana amin’ny Repoblika faha-4.

Fikomiana avy hatrany no nandraisan’ny mpitondra ny zava-nitranga teny amin’ny toby RAS io, ary nidoboka tany Tsiafahy avy eo nafindra ao Antanimora ny Adzida-sefo Daniel, nanao ny fanambarana tamin’izay. Izy irery no miaramila voatana hatreto na teo aza ny resaka nandeha fa misy miaramila hafa mbola hosamborina. Koa mipetraka ihany ny fanontaniana raha toa ka Adzida-sefo iray dia hahavita hanongam-panjakana ? Tsy mbola mikatona rahateo moa ny fitsarana. Fahafahana vonjimaika kosa ny an’ireo mpanao gazety mirahalahy mpiasan’ny radio Fahazavana nanangom-baovao nanodidina iny raharaha iny saingy notondroin’ny FAT ho niray tendro amin’iretsy mpikomy.

Raha noheverina fa hampiravona ny raharaha teo anivon’ny foloalindahy ny fampidirana am-ponja ny miaramila sy ny sivily tamin’iny raharaha RAS iny, dia mifanohitra amin’izany ny fisehon-javatra tamin’ity taona 2010 ity. Teo ny raharaha Ambohijanaka (aprily), ny FIGN (mey), ary ny BANI (novambra) izay mbola lavitry ny fitoniana raha ny feo mandeha satria dia milaza ny mbola hanao ampamoaka ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay tazomina am-ponja any Tsiafahy ihany koa.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT