Actualités

Fikarohana nokleary Fitaovam-pampandrosoana ho an’ny fiarahamonina


  • Talata 10 Febroary 2015

Noraisina tamin’ny lafiny ratsy manapotika hatrany ireo asa notanterahan’ireo ivontoeram-pikarohana nokleary tao anatin’ny taona maro. Manaporofo izany ny zava-misy eto Madagasikara efa ho 40 taona izao

 

. Tsy nahazo avara-patana mihitsy ny resaka famokarana angovo nokleary manomboka any amin’ny toerana fanaovana fanandramana hatrany amin’ny fanomezan-danja ireo mpikaroka. Niroborobo ihany anefa ny sampam-pianarana siansa fizika hatramin’ny taona 1975 nijoroany teto Madagasikara ary efa azo antoka ireo solofo mpandimby eo amin’ity sehatra ity, hoy ny tale jeneralin’ny «Institut National des Sciences et Techniques  Nucléaires» Andriambololona Raoelina. Nosokajiana ho fitaovam-pampandrosoana ny fiarahamonina maharitra rahateo ny nokleary nanomboka tamin’ny taona 1987. Nahazo vahana taorian’izay ireo voka-pikarohana isan-karazany momba ny lafiny fahasalamana, informatika na koa ny fambolena ara-nokleary. Miatrika asa fikaonan-doha eto Antananarivo mandritra ny 5 andro ireo mpikaroka sy manampahaizana avy amin’ny firenena 10 mandinika ireo asam-pikarohana samihafa maharitra sy ny tambajotran’ireo ivontoerana nokleary, araka ny tetikasa Raf/0/042/.

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Fanokafana ny atrikasam-paritra teny amin’ny MAE Anosy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT