Actualités

Fikambanan’ny terak’i Bara Leo ny fanaparam-pahefana ataon’ny Zandary


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Nampiaka-peo ry zareo avy eo anivon’ny FIkambanan’ny TErak’i BAra (FITEBA) omaly tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha fa leo ny fanamparam-pahefan’ireo zandary sasany any amin’ny faritra misy azy ireo.

 

 

 Anisan’ny nahatonga azy ireo hanao ny fanambarana ny tranga tao Tsiroanomandidy efa hatramin’ny taona 2017 izay nahafatesana mponina miisa 2 sy ny nitranga ny 6 aogositra teo nitifiran’ireo mpitandro ny filaminana ka nahafatesana mpianaka 3. Raha ny fitantaran’ny raiamandreny iray avy any an-toerana dia nendrikedrehan’ireo mpitandro ny filaminana ho dahalo ireto mponina ireto ary nosamborina kanefa tsy nohadihadiana ary tsy nakarina tribonaly. Nalaina ny ombiny miisa 47 niaraka tamin’ny vola 10 tapitrisa ariary sy izay entan’izy ireo tiatian’ireo zandary, hoy hatrany ny fitantarana. Efa tafaverina ny omby miisa 20 saingy mbola nisy 22 notazonina. Tsy hita koa izany ny omby 5. Rehefa tsy handray ny andraikiny, hoy ny FITEBA, ny mpitondra sy ny mpitsara ary izay manampahefana rehetra dia izahay mihitsy no hanamboatra ireo izay tokony hosaziana amin’ity raharaha ity. Hametraka fitoriana ao amin’ny fitsarana Tsiroanomandidy izahay ary hanaraka ny fanadihadiana rehetra fa tsy hipetra-potsiny intsony.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT