Tandindomin’doza ny firenena araka ny nambaran’ny fikambanan’ny sendika sy ny mpiasam-panjakana Malagasy (CSAEM) omaly tetsy amin’ny Trano Gasy Andrefan’Ambohijanahary.
Mahatsapa izy ireo fa tena ilaina ny fanaovana ny fifidianana ho fametrahana ny demokrasia saingy mialoha izany dia tokony hanao fitsapan-kevi-bahoaka ho amin’ny lalam-panorenana vaovao aloha ( rererendum constitutionnel).fanararaotam-pahefana sy halatra no nataon’ireo mpitondra sy mpanao politika taorian’ny fifidianana tamin’ny taona 2013 hoy izy ireo. Vokany tsy voafehy ny fandriam-pahalemana, tsy misakafo sy tsy voatsabo intsony ny vahoaka, tsy voaaro ny tanindrazana ary miaina anaty fahantrana lalina ny vahoaka. Etsy andaniny dia misy ny fifanoherana amin’ny lalam-panorenana sy ny lalam-pifidianana izay tsy mangarahara.mampametram-panontaniana hoy ihany izy ireo hoe avy aiza ny biraom-pifidianana vaova miisa 5000 ireo. Ankoatr’izay mampiahiahy ny ho fitsaran’ny HCC. Izany rehetra izany no liana ny famolavolana sy fametrahana lalàna fototra hoy izy ireo ka tokony hivondrona sy hifanolo-tanana hanao ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.