Nanao hetsika fitadiavam-bola hahafahana miroso amin’ny fanatanterahana ireo vina tetikasa 17 voarakitry ny praograman’asan’ny fikambanana hatao manomboka amin’ny taona 2014 niorenany ity ny fikambanana Zanak’Avaradrano omaly alahady 1 jona teny amin’ny Espace Lion d’Or teny Anosy Avaratra.
Izany no natao, hoy ny filohany Atoa Rakotoarizaka Mamy, dia mba hahazoana manolotra ireo tetikasa amin’ny ambaratonga rehetra misy eto amin’ny firenena sy any amin’ireo mpamatsy vola ihany koa. Raha tsiahivina, hoy izy, dia lohahevitra 5 avy amin’ny famakafakana ifotony nataon’ireo mpikambana avy amin’ny Kaominina 6 ao Avaradrano no nandravonana an’ireo tetikasa 17 ireo ka ao ny fifarimbonana amin’ireo Kaominina hanatsarana ny asa manala sahirana atolony ny vahoaka, ao ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny tantsaha, ny fitondrana anjara biriky ho fanatsarana ny andavanandron’ny mponina, ny fanomeza-tanana ny fanabeazana sy kolontsaina ary ao koa ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.