Actualités

Fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa Mahajanga Resaka ady tany ny 90%-n’ny fitarainana voarainy


  • Talata 24 Febroary 2015

Heritaona mahery izay no nijoroan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa tao Boeny dia efa hita sahady ny fomba fiasan’ity fikambanana mpamaha ny olan’ny vahoaka madinika ity. 70 mahery ireo fitarainana voaray ka ny 90% amin’izy ireo dia resaka ady tany avokoa. Raha ny zava-misy dia

 

sampandraharaha roa miankina amin’ny fanjakana no miara-miasa akaiky amin’ity tambajotra miaro ny zon’ny mpanjifa ao Mahajanga. Raha ny fomba fiasan’ireo tompon’andraikitra dia miandry ny fangatahana avy amin’ny mpanjifa izy ireo vao miroso amin’ny fanadihadiana sy ny fifampiresahana amin’ireo talem-paritra izay hiantefany ny olana. Efa maro ireo olona izay manana ny olana no manatona ny biraon’ny zon’ny mpanjifa ka saika mivaha ny olana entina ao. Ny fitsarana no tena matetika mandray an-tanana ireo olona tonga eny an-toerana. Vonona hatrany ny fikambanana ny hamaha ny olana ireo mpanjifa izay tonga ao aminy. Efa nisy ny didy aman-dalàna mikasika ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa entina eny anivon’ny antenimieram-pirenena mba hampiharana azy io ho fiarovana ny tombontsoan’ny maro. Andrasana amin’ity taona ity ny fivoahan’ny didim-panjakana vaovao mikasika ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.

                                                                                                                               Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT