Actualités

Fikambanan’ny mpamongady CGPM Tsy voafetra ny fidangan’ny vidim-bary


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Voasoketa ho tompon’andraikitra amin’ny fisondrotry ny vidin’ny vary sy ny siramamy ireo mpandraharaha.

Ho an’ny CGPM izay fikambanan’ireo mpamongady dia tsy voafetra ny vidin’ny vary vokatra avy eto an-toerana noho ny havitsiany. Ara-dalàna ny vidin’ny vary gasy, tsipala ary makalioka, hoy ny CGPM satria kely sisa ny vokatra niakatra ary vitsy koa ny tahiry ananan’ny mpandraharaha. Takiany koa ny hamoahana ny mangarahara momba ny fanafarana vary hataon’ny fanjakana, indrindra fa ireo mpandraharaha hisahana izany. Momba ny siramamy indray dia miantso ny FAT ireo mpamongady mba tsy haneritery azy ireo fa hamela azy malalaka hivarotra antsinjarany koa. Momba ny tontolon’ny varotra ankapobeny kosa dia nambaran-dRasolonjatovo, filohan’ny CGPM fa ireo mpandraharaha tsy ara-dalàna tsy manana toeram-pivarotana sy magazay fitehirizan’entana ary ny vahiny no tena mifehy ny tsena. Mitarika ny fikorontanan’ny lalambarotra sy ny fanjifana ireto farany ka mamono ny mpandraharaha ara-dalàna sy ny vahoaka ihany koa.

Matiantoka koa anefa ny fanjakana satria mahatratra 114 tapitrisa ariary ny vola very tsy miditra ao amin’ny kitapombolam-panjakana. Mangataka ny handiovana ity sehatra ity ny CGPM noho izany ka anisan’ny soso-kevitra arosony ny tsy maintsy ampiasana ny taratasy fanamarihana ny fisian’ny varotra faktiora eo amin’ny orinasa mpamokatra sy ny mpamongady andaniny ary ny mpanafatra sy ny mpamongady ankilany. Angatahany koa ny fampiatoana ny fanaraha-maso ny hetra aloan’izy ireo mandritra izao fotoan’ny tetezamita izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT