Actualités

Fikambanan’ny Grand Sud-Est Mampitandrina sao misy hanohintohina ny kly Charles


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Taorian’ny famoahan’ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina ampamoaka mikasika ny fanonganam-panjakana nisy teto amin’ny firenena ny taona 2009 dia mandeha ny feo ankehitriny fa misy mikasa ny hikitikitika azy ary hanao izay hampahory azy sy ny fianakaviany mihitsy.

Misy araka izany ny fanambarana izay nataon’ny fikambanana maromaro avy any amin’iny faritra Atsimo-Atsinanana iny, mampitandrina fa raha misy mikitikitika ity olon’izy ireo ity dia miady amin’ny zanaky ny faritra rehetra. Taoran’ireny zava-nitranga teny Anosy ny alarobia 05 janoary 2011 ireny dia tsy vitsy ireo FAT no miezaka mangina ka tsy mahasahy miteny amin’izao fotoana izao. Noho ny tahotra sao ho voatonona ny anaran’izy ireo angamba. Manahirana ny filohan’ny FAT ny naheno iny filazana lehibe teny amin’ny tribonaly iny. Ny ministra iray manamboninahitra jeneraly no fantatra fa neneho hevitra ary nilaza fa «tsy hamaly ireny», indrindra mbola ao anatin’ny fotoan-tsarotra izy ireo amin’izao fotoana izao. Hita ho mahazo hery kosa ny Ankolafy Telo taorian’izany. Indrindra fa ny sehatra iraisam-pirenena, ireo masoivohom-pirenena rehetra misy eto an-toerana dia nahazo ilay taratasy nosoratan’ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina avokoa izay misy enina pejy.

 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Dinidinika teo amin’i Thérese Zafy sy kly Charles teny Amboanjombe (Tahirin-tsary)
 
Encadré :
Tonga nitsidika sy nanome hery ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina teny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ny sabotsy teo ny avy amin’ny andiany faha-18 nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT