Hanohy hatrany ny asa fampandrosoana efa niantsorohany hatramin’izay ny fikambanan’ny Betsirebaky ahitana ireo distrika miisa 16 any amin’iny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny. Voakasik’izany ny distrikan’i Nosy Varika,
Vohipeno, Ikongo, Ifanadiana, Betroka, Befotaka …Raha tsiahivina ny tantara dia raiamandreniben’izy ireo Ihagamainty, mpanolotsain’ny mpanjaka Andrianampoinimerina tamin’ny fotoan’andro. Fantatra ihany koa ny tantaran’ireo raiamandrenin’izy ireo tamin’ny tolona maro isan-karazany natao teto amin’ny firenena ankoatra ireo tompon’andraiki-panjakana maro samihafa amin’izao fotoana mbola mitantana sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tanjon’izy ireo, araka izany, ny hanohy hatrany ny asa fampandrosoana efa niantsorohan’ireo razam-beny ankoatra ny fitehirizana ireo karazana vakoka mampiavaka iny faritra iny. Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2015 izy ireo ny sabotsy lasa teo. Nandritra izany no nanaovana ny fanisana ireo mpikambana rehetra eto Antananarivo, narahina hetsika fitadiavam-bola entina hanasoavana ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’izany ny tolo-tanana ho an’ireo mpiray tanindrazana traboina sy lasibatry ny kere.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.