Actualités

Fikambanan`ny ben`ny tanàna an-dehibe Hametraka fepetra amin`izay ho Filoham-pirenena manaraka eo


  • Zoma 22 Jona 2018

Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana fahadimy nataon’ny fikambanan`ny ben`ny tanàna an-dehibe eto Madagasikara (AMGVM) tany Nosy-Be Hell Ville.

Tapaka tamin`izany fa tsy maintsy mipetraka tsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny governemanta raha toa ka tiana hahomby ny asa fampandrosoana atao, hoy ny ben’ny tanànan’Antsirabe Renivohitra, Razanakolona Paul sady filohan’ny AMGVM. Mba hisorohana amin`ny resaka “subventions” satria mila manana ny fahefana sy tetibola mifanaraka amin’ny andraikiny ny kaominina rehetra hahafahan’izy ireo miasa ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny tanàna dia hametraka fepetra amin`izay ho Filoham-pirenena manaraka eo, hoy hatrany ny fanazavana. Nohamafisiny fa vonona amin’ny fampandrosoana miaraka amin’ny fanjakana foibe ny ben`ny tanàna. Ny fahombiazan’ny kaominina rahateo no fahombiazan’ny fitondram-panjakana ary ilaina izany fiaraha-miasa izany. Marihina fa ambany ny tetibola ampiasain’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana na ny kaominina raha oharina amin’ny tetibolan’ny fanjakana foibe. Tranga mateti-pitranga ihany koa ny tsy fitoviana firehana politika ka matetika miteraka fisavorovoroana eo amin’ny vahoaka ihany ny raharaha tahaka ireny hany tonga hatramin`ny fampiatona ben`ny tanàna mihitsy izany. Mba ho hisorohana izany rehetra izany, hanolotra tolo-kevitra ho an` ny Filoham-pirenena manaraka ny AMGVM. Nandritra ny tatitra nataon`ny AMGVM, dia fantatra ihany koa fa mbola lany ho filoha an`ity fikambanana ity indray Atoa Razanakolona Paul ary handray ny fitantanana ho an`ny roa taona manaraka. Lany ho filoha lefitra kosa ny ben’ny tanànan’i Diego, Djavojozara Jean Luc Désiré. Ben`ny tanàna miisa 9 no tonga naontrona izany fihaonambe izany ary nifidy ihany koa izay ho mpikambana ao amin` ny birao maharitra vaovao.


Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT