Actualités

Fikambanan’ny Ben’ny tanàna (AMM) Mitaky amoahana ny sata mazava mifehy azy ireo


  • Alakamisy 27 Janoary 2011

Mitohy ny tolona ho an’ireo Ben’ny tanàna mpikambana ao amin’ny AMM taorian’ny fivoahan-dRalaiseheno Guy Maxime, filohan’izy ireo avy eny am-ponja ny sabotsy lasa teo raha ny nambaran-dRakotovao Andriantseheno Michel, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambatomanga Arivonimamo, tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana.

Nambarany fa tsy mampihemotra azy ireo ireny zava-niseho ireny fa vao mainka mampirehitra ny hafanam-po eo amin’ny fikambanana aza izany. “Manomboka eto izahay dia hitaky ny famoahana mazava ny sata mifehy ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy”, hoy izy. “Tsy hita mihitsy mantsy hatreto ny maha Ben’ny tanàna ny Ben’ny tanàna fa lasa manana mpibaiko be dia be izany izahay nefa raha ny marina dia tsy misy afa tsy ny olona nifidy anay no tena “patron”-nay”. Eo amin’ny resaka famahana ny krizy dia nanamarika ity Ben’ny tanànan’Ambatomanga ity fa tsy misy tena tia tanindrazana izany n’iza n’iza mpanao politika eto amintsika fa ny hahazo toerana hikatsahana tombontsoa be no tena tadiavin’ny rehetra.

Nanome soso-kevitra moa ry zareo avy amin’ny fivoriana farany nataony amin’ny hoe, raha telo tapitrisa ariary no karaman’ny Parlemantera iray, izay tena be mpitsiriritra tokoa, dia ampitomboina 119 ireo raha tokony hanana solontena iray avy ireo distrika misy eto Madagasikara dia manome ny tarehimarika 357 000 000 Ar. Hampidirina ao amin’ny Kongresy avokoa araka izany ireo maniry haka izany toerana izany na firy na firy ka io vola io ihany no zaraina amin’izy ireo (mety hahazo 2 hetsy Ar isan’olona raha betsaka) dia ho hita eo izay tia tanindrazana tokoa ka vonona hijanona ao amin’ity rafitra ity. Nanamarika moa ity Ben’ny tanàna ity ho fampitahana amin’ny vola raisin’ny Parlemantera iray fa ny ankamaroan’ny Kaominina madinidinika eto amintsika dia eo amin’ny 60 tapitrisa Ar eo avokoa ny tetibolan’izy ireo hanaovana ny asa samihafa sy andoavana ny karaman’ny mpiasa marobe ao aminy samy mamelona fianakaviana tsy latsaky ny folo avy.  

 
Manohy
 

SARY : Rakotovao Michel, Ben’ny tanànan’Ambatomanga Arivonimamo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT