Nanome fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza farany teo ny fikambanan’ireo orinasa sinoa miasa eto Madagasikara. Ny filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra Atoa Ny Hasina Andriamanjato
no nandray izany tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely. Vary dimy taonina miampy menaka 20 bidon amin’ny roapolo litatra no nomen’izy ireo tamin’izany. Eo ihany koa ireo fitaovan-dakozia toy ny lovia sy sotro ary akanjo fitafy sy firakotra maromaro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.