Actualités

Fikambanamben’ny vadintany sy mpanao lavanty Hanenjika ireo mpijirika sy mpangalatra sonia


  • Talata 31 Jolay 2018

Fanamby maro sy goavana no hapetraky ny filoha vaovaon’ny fikambanamben’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara manomboka izao, tarihin’ny maître Rasamimaka Mahefalahy.

Anisan’ny olana tena sedrain’izy ireo mantsy ankehitriny ny fisian’ireo mpijirika sy mpangalatra ary mpizara sonia eny rehetra eny izay tsy vadintany akory  ka tsy maintsy hohenjehina. Misy indray, hoy izy ireo vadintany vonjimaika ka raha any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy izy no tokony hanao ny asa dia tonga hatrany Manjakandriana, tranga izay tena manahirana azy ireo ihany koa. Vonona ny hiady amin’ireny ny filoha vaovao sy ireo mpikambana dimy  ao anatin’ny birao. Tafiditra ao ny fametrahana ny biraon’ny holafitry ny vadintany, ny fandrindrana ny fomba fiasa sy ny fanavaozana ny rafitra, ny fampahafantarana ny rehetra ny asan’ny vadintany sy ny lalana mifehy ny mpiara-miasa rehetra. Nivoitra ireo rehetra ireo omaly nandritra ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny fikambanana vaovao ny maître Rasamimaka Mahefalahy sy ny filohany teo aloha ny maître Andriantsima Ravelo Heriniaina izay lasa filoham-boninahitry ny fikambanana ankehitriny. Mandritra ny telo taona no hitondran’itsy tompon’andraikitra voalohany ny fikambanana raha tamin’ny taona 1998 izy no nanatanteraka ny fifaninanana hidirana ho vadintany. Narahin’ny fampahafantarana ireo mpikambana ao anatin’ny birao vaovao izany, fifidianana notanterahina ny 20 jolay lasa teo  teny amin’ny ENMG Tsaralalana. Nanambara ireo mpikambana fa vonona izy ireo ny hitondra avo ny anaran’ny fikambanamben’ny vadintany eto amintsika, indrindra amin’ny resaka fitondran-tena sy ny fifanajana. Ho azy ireo mantsy dia anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ihany koa ny asan’ny vadintany manoloana ny fampandehanana ny raharaham-pitsarana.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT