Zazalahy kely iray efa-taona, zanak’olona sahirana ara-pivelomana monina ao amin’ny Fokontany Ambohimasina, Kaominina Alakamisy Fenoarivo no namoy ny ainy teo no ho eo ny alahady 12 desambra lasa teo raha vantany vao avy nihinana ilay vatomamy marika “yoghurt”, nomena vehivavy roa tsara tarehy azy. Dimy lahy ireto ankizy ireto no niaraka saingy voasakan’ilay efa lehibebe mahara-baovao ny telo ka avotra soa aman-tsara. Fanina niankarapoka kosa ny iray ary voatery nentina teny amin’ny hopitaly HJRA Anosy izay marihina fa zokin’ity namoy ny ainy ity ihany.
Niditra elakela-trano ireto vehivavy roa tsara tarehy ireto araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ilay zazalahy kely iray efa mahara-baovao. Notambatambazany izy dimy lahy kely ary samy nomeny ilay vatomamy. Nisy tamin’izy ireo anefa no nanda saingy mbola notereny ihany. Anisan’izany ity namoy ny ainy ity, dimy ambiny folo minitra taorian’ny nahalaniany ilay vatomamy. Lavavolo be ilay vehivavy iray ary somary mandoko volo kely raha “coupe carrée” kosa ny iray izay samy mibaby kitapo avokoa. Tokony ho tamin’ny iray ora folakandro tany ho any no nitrangan’izany. Marihina fa ireo karazan’olona sahirana tsy manana radio na televiziona hahazoam-baovao no tena kendren’ireto mpizara vatomamy misy poizina ireto. Andrana amin’ny herin’ny poizina hampiasaina no tena tanjona tian’izy ireo ho kinendry araka ny fahitan’ny rehetra azy izay tsy mbola fantatra aloha hatreto ny mety ho tohiny. Marihina fa tsy ny vehivavy irery ihany no manao ity asa fizarana vatomamy misy poizina ity fa misy lehilahy ihany koa izay marihina fa samy mitondra 4X4 avokoa. Rahampitso alarobia 15 desambra no halevina ny razana raha efa nivoaka ny hopitaly omaly kosa ilay zokiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.