50 mahery ireo olona narary vokatry ny fihinanana soka-dranomasina antsoina hoe Fano nanomboka ny sabotsy 10 mey lasa teo tao amin’ny Fokontanin’Antsahanitia, Kaomininaa Belobaka, Distrikan’i Mahajanga II.
Olon-dehibe 29 sy zaza 10 tamin’izy ireo no naiditra maika teny amin’ny CHU Androva. 5 kosa maty. Sokatra azon’ny mpanjono an-dranomasina ny zoma 09 mey hariva teo izy io ka nifampizaran’ny teo an-tanàna, araka ny fanazavan’ny Sefom-pokontanin’Antsahanitia, tanàna amoron-dranomasina any amin’ny 25 km avaratr’i Mahajanga renivohitra. Zaza telo volana ka hatramin’ny telo taona avokoa ireo maty ka ny roa maty avy hatrany tany an-tanàna, ny efatra kosa teny amin’ny Hopitaly. Nifindra tamin’ny alalan’ny nonon’ireo reniny nihinana ilay sokatra no namparary ireo zaza raha ny fanazavan’ny dokotera Andrianirina Zo, mpiandraikitra ny sampana fitsaboana ny zaza ao amin’ny CHU Androva. Sempotra ary tsy avy miaina ny fisehon’ny aretina teo amin’ireo zaza ireo raha mandoa sy mivalana kosa ny teo amin’ireo lehibe, hoy ny mpitsabo.
Fampisotroana rano betsaka mba hisorohana ny fahaverezan-dranomalia izay mitarika fahafatesana malaky sy ny fanadiovana ny aty vavony sy tsinay amin’ny lavement hanalana ny poizina no fitsaboana maika natao ireo marary, hoy ny dokotera. Nanolotra vola 400 000 Ariary ireo solontenan’ny Governementa tonga namangy sy nankahery ireo marary tao amin’ny CHU Androva omaly antoandro hikarakarana ny marary rehetra. Nampanantena ny minisitry ny Jono Atoa Ahmad fa handray an-tanana ny lany rehetra amin’ny fitsaboana ireo mbola ao amin’ny Hopitaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.