Nampalahelo ny zavatra nanjo ity raim-pianakaviana iray sahabo ho 40 taona tao amin’ny distrikan’Amparafaravola. Vokatry ny hanoanana dia nihinana ireny sakafo amoron-dalana ireny. Fotoana fohy taorian’izay dia nahatsiaro ho tsy salama izy ka nitady tambavy hitsaboana tena
. Tsy nisy fiovana anefa ny fahasalamany fa vao mainka nihombo ny aretina ka voatery nampidirina tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka ny 23 febroary teo. Tsy tana intsony anefa ny ainy ny talata maraina teo. Nambaran’ny mpitsabo fa vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo no niteraka io famoizana aina io. Nisy fahatarana ihany koa ny fahatongavany teny anivon’ny toeram-pitsaboana ka nahasarotra ny fitsaboana izany. Manentana ireo mpivarotra hanimasaka ny mpitsabo mba hanaja ny fahadiovana amin’ireny sakafo amidy ireny satria zava-doza ho an’ny fahasalamana ny loto tafiditra amin’ireny sakafo ireny.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.