Fihetsik’i Madagasikara

amin’ny raharaha Palestina


  • Alarobia 17 Septambra 2025

Ahiana ny voka-dratsy ara-diplaomasia sy ara-tsosialy

Samy naheno isika fa tapitra amin’ity volana ity ny AGOA dia misy delegasionina avy eto Madagasikara izany lasa nandresy lahatra any Etazonia, hoy ny Randrana sendikaly. Mahafinaritra, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny mandre fa misy firenena afrikanina hafa toa an’i Rwanda koa lasa nifanontrona any. Somary manahirana, hoy izy, izao ny diplaomasiantsika satria ho an’i Madagasikara tamin’ity taona ity izany izao, raha ho an’ny amerikanina, dia nalaza ben y fampiakarana hetra. Misy fiantraikany ratsy aty amin’ny mpiasa izany. Rehefa miakatra ny hetra dia tsy maintsy mitady fomba hahazoana tombony ny mpampiasa dia any amin’ny zon’ny mpiasa sy ny tombontsoan’ny mpiasa no kitikitihany. Ny hetran’ny fanjakàna tsy maintsy alohan’ny mpampiasa satria matahotra ny fanjakàna izy ireo. Io hitantsika mbola mifamahofaho be io ny resaka momba ny fiaraha-miasa amin’ny amerikanina mikasika ny Base Toliara. Iverenana ilay resaka hoe diplaomasiantsika hafahafa dia iaraha-mahita koa io olana amin’ny firenena palestinianina io. Isika tsy haka toerana. Iarahantsika mahita nefa ny raharaha Boeing 777. Ny mampiahiahy ao anatin’ireny dia ny hoe ireo firenena miara-miombon’antoka amin’ny amerikanina no mety hametra-panontaniana rehefa iaraha-mahita fa miha mafàna io raharaha io hoe fa nahoana i Madagasikara no tsy maneho ny tena fomba fijeriny ao anatin’io toe-draharaha io? Isika nefa maka tombontsoa be dia be avy amin’ireo firenena ireo toy ilay resaka AGOA teo. Ny diplaomasiantsika aty amin’ny hafa rahateo efa somary marisarisa. Niala teto an-toerana izao ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina fa hoe tsy faly aminy isika. Mbola hisy resaka koa izao ny fanomezana fiara nataon’ny firenena sinoa. Manondrana ny vokatra eto any amin’ireny firenena ireny isika nefa ataontsika marisarisa ny diplaomasia iarahana aminy dia lasa mampatahotra. Ny mahagaga dia mandrangaranga be izao ny eo anivon’ny fitondràm-panjakàna mitokana fotodrafitra etsy sy eroa. Ilaina ny fotodrafitrasa. Samy nanana ny fotodrafitrasa naha maika azy daholo ny mpitondra nifandimby ary isaorana daholo. Na izany na tsy izany nefa, ao anatin’izany, dia mijery foana ny Randrana sendikaly hoe aiza ho aiza anatin’izany no tombontsoan’ny mpiasa sy ny zony? Mahagaga hoe fotodrafitrasa no resahina dia fandrosoana no heritreretin’ny eo amin’ny fitondràna. Tsy vao androany isika no nahita hoe misy fotodrafitrasa io dia tsy misy mampiasa, tsy misy mpiasa fa mipetraka fotsiny eo. Inona no fandrosoana ho hita amin’izany? Fitaovana ireny. Rehefa tsy miaro ny tombontsoan’ny mpiasa na mikarakara azy sy tsy maharindra ny tontolon’ny asa dia mipetraka fotsiny ohatran’ny lamban’ny mpiasa tsy misy ilàna azy. Ohatran’ny kilaoty tsy misy lasitika mitazona izay miborotsaka eny hatrany. Nanana fotodrafitrasa sy fitaovana be dia be ny firenena maro tamin’ireny COVID 19 ireny. Ny mpiasa nefa tsy nahazo nihetsika tany an-trano. Nikaikaika daholo ny firenena rehetra, na ny manankarena aza, hoe tena nikorosofahana ny ara-toekarena. Ahoana i Madagasikara no hilaza fa tsy iraharaha mpiasa fa ny fotodrafitrasa fotsiny no harangaranga etsy sy eroa, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT