Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ireo mpifankatia manao fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Any amin’ireo toerana mitokana sy mangina no tena ahitana betsaka azy ireny.
Aninisan’ny voakasika ihany koa ny ao anaty fiara, indrindra fa ny harivariva. Tsy mifidy taona intsony izy ity. Misy mihitsy ireo sahy mifanoroka sy mifampitsapa taovam-panahana eny rehetra eny. Raha ny fanadihadiana natao dia henjehin’ny lalàna ny fanaovana fihetsika mamoafady. Ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana no tena mandray an-tanana ny raharaha izay tena miasa mafy tokoa ankehitriny. Mampigadra ny fanaovana izany raha ny andininy 330 voalaza ao amin’ny lalàna famaizana. Telo volana ka hatramin’ny roa taona mantsy ny sazy miandry ireo izay olona tratra manao izany miampy onitra 20.000 ka hatramin’ny 200.000 Ar. Raha natao imason’ny zaza tsy ampy taona indray ilay fihetsika dia herintaona ka hatramin’ny telo taona an-tranomaizina ny sazy miandry ilay olona ary 1. 000. 000 Ariary ka hatramin’ny 4. 000 .000 Ariary ny onitra tsy maintsy aloany. Marihina fa tsy tanora avokoa no mandeha eny amin’ny arabe fa misy zaza tsy manan-tsiny sy olona mpifady izay tsy tokony hahita ireny karazana fihetsika ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.